<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>R. Rafihavanana</author>
<hymn_number>352</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Fantatrao va ny Mpamonjy,
 Ilay Tompon-danitra ?
 Jeso, Kristy sy Mpanjaka,
 Zanak'Andriamanitra.
 Ilay nandao ny lapan-dRainy
 Feno voninahitra,
 Tompo tonga mba hanompo,
 Noho ny fitiavana.

[V2]
 Eny, zava-mahagaga,
 Fietrena lalina :
 Saro-bidy ka tsy foiny
 Isika olombelona.
 Ilay Mpisorona Ambony
 Izao no asa sorona,
 Ka manolotra ny ainy
 Mba ho fanavotana.

[V3]
 Ao ny lanitra mivoha
 Miantso anao hiakatra ;
 Aoka tsy hiroa saina,
 Manapaha hevitra.
 He mitsotra moramora
 Mba handray ny tanany ;
 Mitodiha : izao no ora,
 Maneke ho zanany.</lyrics>
<title>Fantatrao va ny Mpamonjy FFPM352</title>
</song>